Mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana maro samihafa, avy eto Antananarivo renivohitra, no nisitraka ny fandaharanasa Hay, izay mikendry ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny haikanto rehetra.
Notanterahina omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa fanenomana ho an’ny ankizy manana fahasembanana. Fiaraha-miasan’ny fikambanana Ank’ izy sy ny Fondation H ary ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra no nahatanterahan’izao tetikasa izao. Tanjon’ny tetikasa ny hanampy ny fanabeazana sy fitaizana ny ankizy amin’ny alalan’ny haikanto, indrindra ny fanenomana lamba. Atrikasa fampahafantarana izay ahafahan’ny tanora mampivelatra ny lafiny ara-tsaina sy mifankazatra amin’ny sehatry ny tenona, raha ny mahakasika ny omaly.
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny sehatry ny fanenomana. Vondron’olona tiliana hanombohana izany ny ankizy sahirana ara-pivelomana eny anivon’ny sekolim-panjakana. Izany indrindra no antom-pisian’ity fandaharanasa ity, izay natomboka teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny fanenomana amin’ ny ankapobeny no ampianarina ny ankizy. Mandritra izany, misy ny atrikasa fampianarana azy ireo ny fomba fanenomana maro samihafa, anisan’izany ny an’i Madame Zo, izay manana ny maha izy azy. Misy ihany koa ny fampiharana izany ka manenona araka izay nampianarina azy ireo ankizy niatrika ny atrikasa.
Tanjona ny hisian’ny demokrasian’ny haikanto, izany hoe, fisehoana sy fivelaran’ny haikanto rehetra tsy misy sakantsakana. Nandritra izay efa-bolana nisian’ny tetikasa izay, atrikasa sy fitsidihana fampirantiana mahakasika ny fanenomana no tena niseharan’ny tetikasa. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, anisan’ny nampisokatra ny sain’ny ankizy ny fandraisana anjara tamin’izany. Namoha sy nahatonga azy ireo ho tia karokaroka ihany koa.
Lin