Ankavitsiana sisa ny mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana mbola velon’aina, ankehitriny. Anisan’izany i Esther Randriamamonjy. Mahazo tombony manokana ireo miatrika ny fampirantiana ataony, noho ny fahafahana mitafa mivantana aminy.
Ao anatin’ny fampirantiana ny sanganasan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy, ny ao amin’ ny Tranomboky Monisipaly Analakely, amin’izao fotoana izao. Hetsika nanomboka ny 23 febroary ary tsy hifarana raha tsy ny 7 marsa 2024 izany. Ankoatra ny fampirantiana, ahitana fitantarana angano sy fivarotana boky nosoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy ity ihany koa eny an-toerana. Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ny olona, indrindra ny mpianatra, mahafantatra misimisy kokoa an’i Etsher Randriamamonjy. Ity mpanoratra ity izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa.
Fanararaotra lehibe ho an’ny mpianatra sy ny eo anivon’ny asa soratra ny fisian’ny hetsika ho fanamarihana ny faha-67 taona nanoratan’ity mpanoratra ity. Tamin’ny andron’ny omaly, ny mpianatra avy ao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely sy Lisea Diadema no tonga nitsidika ny hetsika. Nandravaka izany ny fitantarana angano sy ny tantara sahala amin’ny “Ho avy ny maraina” sy “Imaintsoanala milalao Voay” ary “Rasoamiaramila”, ankoatra ny fampiratiana ny asa soratra sy ny tantaram-pirenena.
Vehivavy mpanoratra misongadina
Mankalaza ny faha 91 taonany amin’ity taona 2024 ity i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy. Teraka ny 11 Avrily 1933, tao Ambohimahasoa. Nandranto fianarana tany ivelany izy taorian’ny fianarany teto an-toerana. Fanoratana boky ho an’ny ankizy sy tanora no tena ahafantarana azy. Ankoatra izay, nandika boky tamin’ny teny frantsay sy anglisy ary rosianina ihany koa izy.
Lin