Renim-pianakaviana iray nifamaly tamin’ny vadiny nijanona fo tampoka ka namoy ny ainy tao Ankirihiry Toamasina, omaly. Niezaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly ireo manodidina saingy tsy tana ny ainy.
Niteraka fitohanan’ny fiara nandritra ny ora iray ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny RN4 hiditra ny tanànan’i Mahitsy, ny alahady 3 marsa teo. Kamiao mpitatitra entana nikasa hihazo an’i Mahajanga saika nivarina tany anaty hantsana. Nibahana ny arabe ny ampahany tamin’io fiara io.