Nametraka ho laharam-pahamehana amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra
ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Ramanambintana Richard. Nofaritany tamin’izany koa ny vina ho an’ny CUA.
“Hiova ao anatin’ny fotoana fohy ny tanàna”, hoy izy. Nambarany fa anisan’ny voalohany hatao ny hanalana ny fako miaraka amin’ny SMA ato anatin’ny 10 andro, taorian’ny nahazoana ireo fitaovana avy amin’ny Japoney ireo. Ny fanatsarana ny lalana sy ny fandrindrana ny tsena. Eo koa ny hanomezana fahafaham-po ny mpiasa rehetra momba ny karama sy ny tambin-karama ho azy ireo, araka ny nambarany. “Manantena isika fa ahita vokatra anatin’ny fotoana fohy”, hoy ihany izy. Tsy hisy aloha anefa ny fampidirana mpiasa vaovao. Hoferana sy hoesorina koa ireo tsy manara-dalàna, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, anisan’ny vinan’ny PDS ny hamerenana ny hasin’Antananarivo amin’ny lafiny rehetra. Eo ny zaridaina sy ny hampamiratra ny tanàna. “Ny fiaraha-miasa amin’ny mponina hifanabe sy hifampitaiza ary ny tamberin’andraikitra ifanaovantsika”, hoy izy.
Nentanina handoa hetra ny mponina
Nentaniny ny mponin’ Antananarivo handoa hetra mba hahafahan’ny CUA manatanteraka ny asany. Samy handray andraikitra ary hiray fo hanatsara ny tanàna ka ho mendrika ho filamatra ny Renivohitra. “Ho reharehan’ny taranaka izany fametrahantsika ny dian-tanana izany ao anatin’ny fiaraha-mientana”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao fandraisan’ny PDS ny fahefana ho amin’ny fitantanana ny Renivohitra izao ny minisitra isany, Andriantsitohaina Naina sy Ravokatra Fidiniavo ary ireo depiote sasany eny anivon’ny boriborintany. Teo koa ny Prefet de police Antananarivo, nitarika ny lanonana.
Synèse R.