TARATRY ny KANTO

Hizara ny “Fidiovana”, manomboka anio, ny mpikarakara ny Taombaovao Malagasy. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny sabotsy 9 marsa izany, eny amin’ny vavahady N°3, ao amin’ny Kianja­ben’i Mahamasina. Fotoana hanombohan’ireo “Fama­to” hanadiovana an’Imahamasina, izay toerana anisan’ny handray ny fankalazana, ihany koa izany.

 

Johary Ravaloson, Malagasy mpanoratra, miaraka amin’ilay boky nosoratany nampitondrainy ny lohateny hoe « Tribunal des cailloux ». Handray anjara amin’ny tafatafa ara-literatiora, ao anatin’ny hetsika “Dans la peau d’une femme”, atao any Genève izy, miaraka amina mpanoratra iray avy any Togo.
Tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba, ny alarobia 13 marsa 2024, ny hetsika « La Grace ». Fampisehoana poezia, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fikambanana La Printemps des Poètes izy ity. Mpanao poezia sy mpankafy maro no ho hita eny an-toerana, amin’io fotoana io.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Manamarika azy io isan-taona i Madagasikara. Mi­andrandra vokatra avy amin’ireny ny rehetra. Saingy, toa endrika ivelany fotsiny. Vao mainka aza mitombo ny antsojay atao amin’ny vehivavy, mihamaro ireo vehivavy sahy manary anaka… Na, hankalaza io andro io tsy ankiato aza ny Malagasy, raha mbola mahazo vahana ny fanaovana tsinontsinona ny lamina voajanahary, tsy antenaina ny hahazo vokatra tsara!

Partager sur: