Jica – MTP : tetikasa hikojakojana ny lalana sy ny tetezana

Manohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny teknika momba ny fomba fanadihadiana mahakasika ny lalana sy ny tetezana ny fiaraha-miasa japoney Jica. Misy ny vaomiera iombonan’ny roa tonta natsangana.

Natao omaly 5 marsa 2024, teto Antanana­rivo, ny fivorian’ny Vao­miera iombonana mpandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny Tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Teti­kasa iarahan’ny Fiaraha-mi­asa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica) sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Nitarika ny fotoana ny sekretera jeneralin’ny MTP sy ny teknisiana ao aminy, andaniny, ary ny teknisiana avy amin’ny Jica mahakasika ny fikojakojana ny lalana, ankilany.
Iaraha-mahita fa ratsy ny ankamaroan’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Izay no nahatonga an’dry zareo japoney hanohana antsika amin’ny fikojakojana izany. Hitondra fomba fiasa vaovao ny tetikasa F3LTM, amin’ny fomba fitantanana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana. Ao anatin’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana malagasy, ka hisy ny handeha hiofana any Japana.

Seminera ara-teknika
Andiany fahadimy ity fivoriana natao omaly ity. Nivoitra ny fankatoavana ireo fehin­kevitra ho hampiasaina ao anatin’ny antontam-baovao. Anisan’izany ny rafitra PMS (Pavement Management System) amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny BMS (Bridge Management System) ho an’ ny tetezana.
Hisy seminera ara-teknika hatao anio, hanohizana ity fi­voriana niombonana ity. Andiany fahatelo izy io, entina hifanakalozana traikefa amin’ny fomba fijerena ifotony, ha­nombanana ny hatsaran’ny lalana sy ny tetezana. Eo koa ny fifanakalozana antontam-baovao ary koa ny lafiny fiofanana. Hisy teknisiana malagasy handeha hiofana any ivelany amin’ny jona 2024.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: