Hampitombo ny sidina Paris -Madagasikara ny kaompania Air France manomboka ny volana avrily. Hanao sidina indimy isan-kerinandro miainga avy ao Paris ny kaompania, ny 8 avrily-2 jona. Hitombo enina izany ny volana jona sy septambra. Hanao sidina mandritra ny 7 andro kosa ny Airbus A350-900, ny 1 jolay ka hatramin’ny 31 aogositra.
Atao ny 5 – 7 marsa izao ny hetsika “ITB Berlin 2024”. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ireo delegasiona any an-toerana. Hetsika hampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy sy ireo mampiavaka azy ary hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany.
Mitentina 88 tapitrisa euros (431 miliara Ar) ny famatsiam-bola avy amin’ny AFD (Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana) ho an’
i Madagasikara. Tetikasa telo no voakasik’izany, mifantoka amin’ny fambolena (Padeve 2, Talaky, PPRM). Natao sonia, ny 1 marsa teo, izany fifanarahana izany eo amin’ny roa tonta.
Mirefy 9 km ny arabe vaovao, miainga eny amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, mihazo ny lalam-pirenena RN2. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambo izany, izay tohanan’ny Fiaraha-miasa japoney Jica. Eo am-pandinihina ny fanonerana ara-bola ireo olona manana tany na trano voakasiky ny tetikasa.