Sekoly miisa 228, mpianatra 225 408 no hanombohana ny fanentanana ny fisorohana ny voina an-tsekoly. Ao anatin’izany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo talen-tsekoly mahakasika ny vonjy voina sy ny fiantohana an-tsekoly ary ny fandrafetana sy famenoana ireo “dossiers sinistres” sy ny “fiches établissements” iarahana amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.
Lohahevitra ho an’ny ankizy sy tanora diabetika ary ny fianakaviana ny momba ny diabeta sy ny maso. Hatao ny ny sabotsy izao, eny amin’ny Amadia Faravohitra, ny hetsika. Hisy ny fizahana maso ho an’ny ankizy diabetika, fizaham-pahasalamana faobe, fanaovana dosages HbA1C, fakana tosidra, refy sy lanja…
Tokony harovana amin’ny fanararaotana mamoafady ny ankizy indrindra ireo mpikirakira ny internet. Mitombo ny tranga fanararaotana mamoafady izay hamorain’ny fisian’ny teknolojia vaovao ka mila fanentanana ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ary ny mpisehatra rehetra, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Ecpat France.
Maimaimpoana ny fitsaboana nify sy aty vava amin’ny fandalovan’ny caravane médicale «Sarobidy ny aiko». Tany Fenoarivo Atsinanana ny ekipa, mpitsabo, omaly, miaraka amin’ny fitaovana sy ny fanafody. Hiverina ao Toamasina izy ireo rahampitso hitondra ny tolotra fahasalamana.