Mahasarika an’i Claude Azema ny fitantanan’Andrianirina Julio Edouard, filoha vonjimaikan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe. Manomboka mitsiry ny vahaolana ho an’ireo Malagasy mpankafy ity taranja ity.
Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andrianirina Julio Edouard, ny sabotsy lasa teo, teny Tanjombato, fa efa azo antenaina ny tsy hahavoasazy an’i Madagasikara. Ny 24 febroary lasa teo ity lehiben’ny FSBM ity, nahazo hafatra avy amin’i Claude Azema, filohan’ny tsipy kanetibe iraisam-pirenena, fa efa tsara ny ezaka ataon’ny federasiona malagasy.
« Efa zava-dehibe io hafatra nataon’ny filoha Claude Azema io, saingy hiezaka hatrany izahay hitady ny vahaolana miaraka amin’ireo ligy sy klioba, mba hazahoana ny taratasy ofisialy manambara fa tsy voasazy intsony i Madagasikara», hoy ny filohan’ny FSBM. Raha miala ny sazin’i Madagasikara, handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Maroc, ny Malagasy.
Raha tsy misy ny fiovana, izay mandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, hatao any Antsirabe, no hiatrika izany. Ampahatsiahivina fa mifarana ny 31 volana marsa ho avy izao ny fanavaozana ny taratasim-pilalaovana “licence” ho an’ireo mpilalao tsipy kanetibe.
Ankoatra izay, hatao ny 3 -5 mey ny fifanintsanam-pirenena ho an’ny sokajy olon-tokana “tête à tête”. Hiatrika ny lalao ho an’olon-droa, “doublettes”, kosa ireo mpilalao, ny 28-30 jona. Any amin’ny volana septambra kosa no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny olona telo miaraka, “triplettes”. Marihina fa tsy mbola vaofaritra ny toerana hanaovana ireo lalao telo ireo.
Fitia Randria