“Lalao Afrikanina”: ratsy ny vokatra ho an’ny ping-pong

Nanokatra ny fifaninanana ho an’ny “Lalao Afrikanina”, tanterahina any Ghana, ny alatsinainy teo, ny taranja ping-pong. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, satria tojo faharesena avokoa ny teo amin’ny olon-tokana. Teo amin’ny lehilahy, lavo teo amin’ny ampaha-64-n-dalana avokoa i Mamy Riva, i Setra ary i Fabio.
Niondrika teo anatrehan’ilay Nizerianina, i Amadi Omeh, tamin’ny seta 3 no ho 1 i Riva. Resin’ilay Tonizianina, Wassim Essid, seta 3 no ho 2 kosa i Setra ary tsy tafavoaka nanoloana an’i Stephane Ouaiche avy any Algérie, i Fabio. Ho an’ny vehivavy, resy teo amin’ny ampaha-64-n-dalana ihany koa i Mahenika, raha nidona tamin’ilay Tonizianina, i Garci Fadwa. Seta 3 no ho 1 no nisarahan’ny roa tonta. Nivoaka ho mpandresy kosa i Ranto Oceane nanoloana ilay Nizerianina, i Sukurat Aiyelabegan, teo amin’io dingana io saingy nifarana teo amin’ny ampaha-32-n-dalana ny diany, rehefa lavon’ilay Alzerianina, i Lynda Loghraibi, tamin’ny seta 3 no ho 0. Tany amin’ny ampaha-16-n-dalana kosa vao resy i Hanitra Karen, rehefa niondrika teo anatrehan’i Lucie Mobarek, avy any Nigeria.

Tompondaka

Partager sur: