Olana sosialy : nitroatra ny mponina !

Nandoro kodiarana sy nibahan-dalana ny mponina teny Andohatapenaka, omaly. Nanimba ny biraon’ny kaominina ny mpitarika posy tao Manakara. Olana sosialy no anton’izany.

Nanao hetsika fanairana ny mponina tao Ando­hatapenaka, omaly. Antony, voalazan’ny mponina fa lasan’ny vahiny ny tany misy ny trano fonenan’izy ireo. Sady nidina an-dalambe no nandoro kodiarana izy ireo. « Vonjeo izahay fa misy mivarotra ny taninany ka tsy ekenay », hoy ny sorabaventy narantirantin’ny mpanao fihetsiketsehana. Tapaka nandritra ny fotoana fohy ny fifamoivoizana vokatry ny fihetsiketsehana. « Lasan’ny vahiny ny taninay mirefy 21ha », hoy ny renim-pianakaviana mandraharaha amin’ny fanaovana fatapera.
Nanome tsiny ny fiton­drana koa ny mponina : « Izao foana ny olana, tsy misy fitsinjovana ny vahoaka madinika ety ambany tanàna. Ny ambany tanàna anefa no nametraka izao fitondrana izao. Sahiny ve ny mivarotra ny taninay amin’ ny vahiny? », hoy kosa Rako­toniaina Jean François, mpamongady zava-pisotro nandritra ny taona teo Andohata­penaka.
Niditra an-tsehatra nanao ny fandaminana ny mpitandro filaminana. Niverina tamin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina, taorian’izay.

Manakara !

Nisy savorovoro ihany koa tao Manakara, omaly. Niafara tamin’ny famotehana ny Lapan’ ny tanàna ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpitarika posy. Nanohitra ny lamina nape­traky ny polisy monisipaly ireto farany . « Tsy ara-drariny ny fanararaotana ataon’ireo polisy monisipaly momba ny fitakiana vola amin’ireo mpitarika posy », hoy ny fitarainan’ izy ireo. Niraradraraka ny tora-bato niantefa teny amin’ny fitaratry ny Lapan’ny tanàna. Nirohotra an-dalambe ny mpitokona. Niditra sy nanimba fananana tao anatin’ny biraon’ ny kaominina kosa ny mpanao fihetsiketsehana. Niditra an-tsehatrany ny mpitandro filaminana ka nirefodrefotra ny grenady lakrimozena.

J.C

Partager sur: