Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny PPA Manantenasoa Avaradrano teny Mahatazana Ambohimahitsy, afakomaly ny jiolahy iray avy namaky trano. Nanao ny asa fitsirihana toy ny mahazatra ny polisy avy ao amin’ny PPA Manantenasoa afakomaly alina. Nahatsikaritra lehilahy iray somary kaodikaody miaraka amin’ny karazan’entana samihafa ireo polisy. Nanatona azy avy hatrany ireo polisy nanao ny fanamarinana rehetra momba ireto entana hita teny aminy. Voamarina tamin’izany fa avy namaky tranon’olona ity jiolahy ity. Nanamarina izany rahateo koa ireo olona teo amin’ny manodidina ny toerana nisamborana azy. Mbola hita teny aminy tamin’ny fotoana nahatraran’ny polisy azy ny fahitalavitra iray miloko sy kojakoja samihafa niaraka taminy. Nentina nanaovana famotorana ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano ity mpanao ratsy ity. Niaiky izy fa vaky trano nataony tamina tokantrano iray no nahazoany ireo entana ireo. Tao anatin’ny famotoran’ny polisy hatrany no nahafantarana fa monina eny Analatsitononina io jiolahy tratra io.
Saron’ny polisy miasa ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, afakomaly koa ny jiolahy iray avy nangalatra tao anatina taxi-be iray. Naharay antso ny polisy fa misy jiolahy iray tratra nangalatra finday ao anaty taxi-be 184. Tonga teny an-toerana ny polisy ka efa notazonin’ny olona tao anaty fiara ilay jiolahy. Nilaza izy fa mpanendaka anaty taxi-be sy anaty fitohanana miaraka amin’ireo namany.
J.C