Hotanterahina ny 20-23 jona eny amin’ny CCI Ivato ny International handicraft fair Madagascar na ny varotra fampirantiana iraisam-pirenena ho an’ny asa-tanàna. Hetsika entina hampihaonana ireo mpanao
asa tanana, mpamorona sy ireo mpividy-mpivarotra ny vokatra eo amin’ny sehatra anatiny sy iraisam-pirenena
Nisokatra ny talata teo ny tsena voara-maso ho an’ny kakao ao amin’ny faritra DIANA rehefa niato nandritra ny taona maro. Napetraka ny fepetra ho fiarovana ny kalitaon’ny vokatra sy ho tombontsoan’ny mpamboly, ny mpividy ara-dalàna ary ireo kaominina mpamokatra. Hiodina tsy ho ela ihany koa ny milina
hitoto ireo kakao ho lasa vovony.
Maniry hiara-kiasa ara-pambolena amin-
dzareo breziliana i Madagasikara. Anisan’izany ny hakana ny traikefan’ity firenena ity amin’ny lafiny fitarihan-drano sy ny fanodinana ny vokatra toy ny katsaka, ny mangahazo, sns. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena (Minae), Ratoharijaona Suzelin, ny masoivohon’i Brezila, Ademar Seabra D.C.Jr, omaly.
Nahazo fitaovana ilaina amin’ny fambolen-kazo ireo ben’ny Tanàna any amin’ny kaominina ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana. Tohana avy amin’ny tetikasa “Tontolo maharitra any amin’ny tapany atsinanan’i Madagasikara”, any amin’ny tandavanala Ankeniheny – Zahamena (CAZ) sy ny Cofav.