TARATRY ny KANTO

Hivoaka ny faran’ny volana marsa 2024, ny boky «Ny valamparihin’i Bebe», nosaratan’ Andrianimerina Hobiana ary sary nataon’i Max Razafindrainibe. Ankoatra ny maha asa soratra fanabeazana azy, tantaran’olona niaina tamin’ny taona 1947 no navoitra ao anatin’ity boky ity.
Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Kudeta Anosy, ny hetsika « Run Mada», hetsika ara-javakanto maroloko, handraisan’ireo mpanakanto vahiny sy avy eto an-toerana anjara. Fampisehoana talenta amin’ny fitendrena zavamaneno, hatsikana, Slam… no anisan’ny handrafitra ny hetsika.
Nanomboka, omaly, teny amin’ny Kianjan’Imahamasina ny fizarana fidiovana hiatrehana ny faran’ny taona sy ny Taombaovao Malagasy. Raha fidiovana 5 000 isa no lany isan’andro, nialoha ny fankalazana ny Taombaovao 2023, nitombo be izany, satria, nahatratra 12 000 isa ny voazara ny tapakandron’ny omaly (tamin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora latsaka). Hita teny an-toerana avokoa ny sokajin-taona rehetra, na somary nanatombo aza ny tanora.
Manao antso hatrany ny mpihiragasy sy ireo mpikarakara hetsika hiragasy mba hitaomana ny tanora hijery ity fialamboly sady kolontsaina no soatoavina malagasy ity. Nomarihin’izy ireo fa ny tsy fahampian’ny fanentanana ataon’ny ray aman-dreny no anisan’ny tsy mampiraika ny tanora hijery adin-kiragasy. Mila ampahafantarina ny tanora ny soa azo avy amin’ny fijerena hiragasy, raha ny nambaran’izy ireo.

Partager sur: