Ramamimampionona Gérard: “Mifangaro ny fifidianana sy ny fividianana olona amin’izao”

Amin’izao ankatoky fifidianana depiote izao, efa misy izay mihevitra na heverina ho kandidà no midina ifotony. Misy ny efa manome fanampiana etsy sy eroa. Midika inona? Maneho ny fijeriny ny mpandi­nika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana amin’izao. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): ny fihitanao ny fiatrehana fifidia­nana amin’izao?
Ramamimampionona Gérard (-): Hanao fifidianana depiote handrafitra indray ny Antenimierampirenena isika. Andrim­panjakana lehibe izany: fiadian-kevitra amin’ny raharaham-pirenena, lapan’ny demokrasia amin’izay mahasoa ny vahoaka. Nefa tsy ny fikatsahana an’izay amin’ny fanaovana sy fandaniana lalàna ary fanaraha-maso ny asan’ny governemanta no mampihazakaza fa ny hahazo ny maro anisa. Na ny fianakaviana politika aza, misavoritaka ny amin’izay harotsa-kofidina.
Mihevitra ny eo amin’ny fitondrana fa hahazo ny maro anisa: sanatria, tsy hoe hanao jadona na hanilika ny hafa. Toy izay koa ny mpanohitra: haka ny maro anisa; avy eo, hanao
fitsipaham-pitokisana, hamingana. Fifanenjehana sy fifanilihana ary fifaminganana ve ny fa­naovana politika? Mila omen-kasina amin’ny toerany ny Andrimpanjakana. Ny toe-tsain’Andrianampoinimerina ny demokrasia malagasy: ny be, manana ny azy; ny kely, manana ny azy. Inona ny hevitry ny maro anisa? Henoina koa ny hevitry ny vitsy anisa, fa tsy voatery hoe marina rehefa maro.

* Ahoana ny toe-tsain’ny mpanao politika sy ny fanaovana politika amin’izany?
– Mba tena hanana fahamarinana sy fitiavan-tanindra­zana… Tsy hoe zavatra miverina ho an’ny tena ny fanaovana politika, fa ho an’ny vahoaka. Mba fantarin’ny vahoka koa izay olona tena hikendry soa ho an’ny tena sy ny firenena, fa tsy sanatria mpikarama an’ady na voavidy vola. Olona afa-mijoro izany, marina, mitodika any amin’ny fiainam-bahoaka…
Diso ny fanaovana politika hatramin’izay: fakan-toerana fotsiny, fa tsy fahalalana ny tena andraikitra sy ny antom-pisiana. Mila fanabeazana… Ny vahoaka koa beazina fa mifangaro ny fifidianana sy ny fividianana olona. Lasa mifampitaiza ao anatin’izany hita fa tsy mety sy tsy manjary izany ny rehetra. Mety amin’ny tany mahantra toa antsika ve ny demokrasia? Ny fahantrana mitarika fahantran-tsaina. Milalao ny fahantran’ny ankamaroan’ ny olona ny manan-katao. Lasa tsy misy fahalalahana ao anatin’ ny demokrasia, tsy misy fahamarinana fa famarinana an-kady.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: