Soalihy Moussa : “Iankinan’ny fahamarinan-toerana ny fifidianana”

“Tsara mitambatra koa fa tsy tokony hisaraka amin’izao fiatrehana fifidianana izao fa iankinan’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ny fifidia­nana solombavambahoaka”, hoy ny mpandinika politika, i Soalihy Moussa, ny amin’ny fifidianana depiote. Tsy tokony hohadinoina fa tsy fifidianana fotsiny no atrehina amin’izao fa eo koa ny amin’ny fahamarinan-toerana politika. Rehefa marin-toerana ny eny amin’ny Antenimierampirenena, marin-toerana amin’ny toekarena, sosialy, politika.

Ny marina, ny fifidianana toy izao: raha tokony ho izy, mila kongresim-paritra ma­moaka ny anaran’ny olona ho kandidà. Satria, fifidianana manakaiky vahoaka ny fifidianana depiote. Matetika ny olona mitankosina amin’ny vahoaka sy ny fitondran-
tenan’ny olona no hifidianan’ ny olona. Koa mila mijery sy mifantina tsara ny mpitondra mba tsy ho diso amin’ny fisafidianana izay harotsa-kofi­dina. Rehefa tsy nanao an’izay kongresim-paritra, misy olobe amin’ny faritra: tsara ankinina amin’ireny ny fisafidianana izay ho olona hatao solombavambahoaka.

R. Nd.

Partager sur: