“Tokony hahazo maro anisa ny Firaisankina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Nefa ny ahiahy tsy ihavanana: tsy maintsy misy hampiasa vola sy fahefam-panjakana. Eo ny olana: hahazo ny maro anisa parlemantera ve ny mpanohitra? Fifidianana manaikaiky vahoaka ny fifidianana depiote, saingy tsy maintsy mandalo HCC sy Ceni. “Mampirisika olona handeha hifidy izahay, fa tsy handray anjara amin’ny firotsahan-kofidina. Manahy izahay sao very fotsiny eo ny volanay”, hoy izy. Sao sanatria hanao toy ny kandidà 11 teo? Ny rafitra fanatanterahana fifidianana tsy miova, ny Ceni sy ny HCC izay niadian-kevitra be teto amin’ny firenena. Betsaka ny tsy nanaiky, nefa mbola ny eo ihany no eo. Hatao ahoana ny finoana ny valim-pifidianana hoe hadio sy hangarahara amin’ izany? Ny fanantenana: hahazo maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena tokoa ny mpanohitra, raha izay, ohatra, no mahasoa ny firenena.
R. Nd.