Nanao tohivakana ny fandraisan’ny filohan’ny Repoblika ireo ambasadaoro, miisa telo teny amin’ny Lapan’i Iavoloha, omaly. Niompana amin’ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo firenena ireo ny fihaonana tamin’izany.
Anisan’ny noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, ny masoivohon’i Irland, i Patrick Empey, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika. Nambaran’ny vahiny tamin’izany fa nojerena ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny momba ny tontolo iainana sy ny fambolena. Niaiky ny ambasadaoro fa manana fahavononana ho amin’ny fampivoarana ny fanabeazana eny ifotony hatreny amin’ny oniversite ny filohan’ny Repoblika. Voaresaka koa ny lafiny fizahantany anisan’ny mampandroso ny any Irland. “Napetraka ny vina hiara-miasa amin’ireo minisitra mifanandrify amin’ireo sehatra ireo”, hoy ny ambasadaoro.
Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry koa ny ambasadaoron’i Zimbaboe, i David Douglas Hamadziripi. Niompana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny momba ny harena an-kibon’ny tany ny dinika. Anisan’ireo firenena Afrikanina manana izany ny ao Zimbaboe ka hohamafisina ny fiaraha-miasa amin’izany sehatra izany.
Hitsidika an’i Brezila ny filoha Rajoelina
Ankoatra izany, noraisin’ny filoha Rajoelina Andry ny taratasy manendry ny ambasadaoron’i Brezila, i Mademar Seabra Da Cruz, hiasa eto amintsika. Natsidiky ny vahiny tamin’izany ny faniriany amin’ny hivahinianan’ny filohan’ny Repoblika any Brezila amin’ny fotoana maha mety izany.
Tsiahivina fa anisan’ireo firenena efa mihazakazaka eo
amin’ny fampandrosoana, anisan’ireo eo anivon’ny firenena dimy, Brics i Brezila amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




