Niditra an-tsehatra, omaly, ny Malagasy eo amin’ny isan-tarika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra amin’ny lalao Afrikanina any Ghana. Nahazo fandresena roa ny sokajy lehilahy
Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina, eo
amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lehilahy isan-tarika. Nanao pao-droa izy ireo, omaly ka nahazo fandresena nanoloana ny ekipan’i Soudan sy i Ghana. Teo amin’ ny lalao voalohany nihaonana tamin’i Soudan, nandresy an’i Adam Mohammed, 3 no ho 0 (11-4 / 11-7/11-4), Rakotoarimanana Fabio. 3 no ho 0 (11-2/11-4/11-7) ihany koa no nandresen-dRakotoarisoa Setra an’i Nadir Mohammed, raha toa ka 3 no ho 1 (20-18/6-11/11-6/11-8) no nandavoan-dRakotoarisoa Mamy Riva an’i Motasem. Nitohy avy hatrany tamin’ny fifanandrinana tamin’ny ekipan’i Ghana ny lalao natrehan’ny Malagasy, sokajy lehilahy, taorian’io lalao voalohany io ka mbola nahazo fandresena hatrany izy ireo. 3 no 1 (12-10/11-8/10-12/11-5) no nandresen-dRakotoarisoa Setra an’i Akayade Samuel. 3 no ho 0 (11-7/13-11/11-7/ kosa no nanilihan-dRakotoarimanana Fabio an’i Commey Emmanuel ary 3 no ho 2 (11-6/11-7/11-13/8-11/11-7) no nandavoan-dRakotoarisoa Mamy Riva an’i Sam Bernard. Araka izany, tafakatra amin’ny dingana manaraka izay hotanterahina anio, ny sokajy lehilahy, isan-tarika, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra.
Tetsy ankilany, tsy afa-bela nanoloana ny ekipan’i Nizeria ny solontena malagasy, teo amin’ny sokajy vehivavy. Resy 3 no ho 0 nanoloana an’i Edem Offong, i Bello Fatimo ary i Oribamise Esther ny Malagasy, nahitana an-dRakotondrazaka Tantôt, Raharimanana Hanitra ary Andriamanantena Mahenika. Mbola niatrika ny lalao faharoa nanoloana an’i Alzeria ihany koa ny vehivavy malagasy, omaly alina, saingy tsy mbola voaray teto am-pelantanana ny vokatra. Ankoatra ny taranja tenisy ambony latabatra, hiditra an-tsehatra manomboka anio, ny taranja karate. Solontena roavavy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, ka ahitana an-dRakotobe Fenosoa hiatrika ny Kumite sokajy -50kg sy Rakotonindriana Gaëlle hiatrika ny kata olon-tokana.
Mi.Raz