Nanomboka ny zoma 1 marsa lasa teo, Rabeharisoa Herimanitra (Hery Be) indray no mpanazatran’ ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nandimby an’i Titi Rasoanaivo indray izany ny lehilahy ao anatin’izao fiatrehana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay football league (PFL 2024)” izao. Noho ny vokatra ratsy azon’ity ekipan’Andoharanofotsy ity tao anatin’ny andro telo efa tontosa ny anton’izao fanovana haingana nataon’ny mpitantana ny klioba izao. Tsy olona vaovao ao anatin’ny fitondrana ekipa goavana toa izao i Hery Be fa efa manana traikefa sy fahazarana amin’izany. Raha tsiahivina, efa nitondra ny Cnaps Sport, efa nandrombaka ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara, imbetsaka ny tenany. Efa nitondra ny Barea de Madagascar U23 ihany koa. Manampy azy amin’ny fitondrana ny CFFA izao, Rakotomanga Pierrot. Izy mirahalahy ireo izay efa samy mpilalaon’ ny FC BFV tamin’ny fotoanandrony ka inoana fa mitovy tadin-dokanga. Ny CFFA izay hidona amin’ny Disciples FC, eo amin’ny andro fahefatra ny PFL.
Tompondaka