Notanterahina, omaly, teny Ampefiloha, ny fampianarana fanatanjahantena ho an’ny mpianatra an-tsekoly, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Taranja efatra no nampianarina an’ireo mpianatra, nahitana ny Teqbal, badminton, escrime ary baolina lavalava an-tsekoly.
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 9 Marsa izao, ny andiany faha-10 amin’ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety. Efa fantatra avokoa ny fandaharan-dalao ary hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny lalao voalohany, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Hisokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 9 sy 10 marsa izao, ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja Échecs. Hisy ny lalao natokana ho an’ny sokajy U10, U14, ny -1600 ary ny +1600, eny amin’ny Live Hôtel Andavamamba. Mbola mitohy ny fisoratana anarana.
Mikarakara ady iraisam-pirenena, ny komisiona malagasin’ny “pancrace” sy “submission”, ny alahady 31 marsa izao, ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny federasiona malagasin’ ny kick Boxing.