Ady tany: lehilahy hita faty, potika ny tarehiny

Niafara tamin’ny vonoan’olona feno habibiana indray ny olana ara-tany tao amin’ny fokotany Ambohimarina, distrikan’Ambanja, afakomaly. Naharay fampitam-baovao momba ny fisian’olona hita faty ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Marovato, afakomaly tolakandro. Araka ny fitsirihana nataon’ny zandary, naratra mafy ilay raim-pianakaviana niharam-boina ka namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitalin’Ambohimarina. Raha ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny zandary, noho ny olana ara-tany eo amin’ny samy mpianakavy no antony nitarika izao vonoan’olona izao. Nahitana ratra teo amin’ny tarehiny. Mangana sady nahitana fahatapahana ihany koa ny vatany. Ny famotorana hatrany no nahafantarana fa lehilahy roa avy ao Tanambao Ambohimarina no tompon’antoka tamin’izao fanafihana niafara tamin’ny famonoana sy fandratrana olona izao. Ilay niharam-boina sy ny rahalahiny no niharan’ny fanafihana tamin’io fotoana io. Tao amin’ny tany mitondra ny anarana hoe Befalafa, 30 km miala an’Ambohimarina no nitranga ity fifandonana ity. Mbola manaraka fitsaboana noho ny ratra nahazo azy kosa ny rahalahiny. Lasa nitsoaka ireo jiolahy nahavanon-doza tamin’ity raharaha ity. Mandeha, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Marovato ireo jiolahy tompon’antoka amin’izao vonoan’olona izao.

J.C

Partager sur: