Tsy mety fay: mpanolana naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, manampy an’i Dawilly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy kely 6 taona tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana. Na­haray fitarainana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana momba ny fisiana lehilahy iray 21 taona nanao fihetsika feno habi­biana tamina ankizivavy kely iray vao enin-taona monja tao amin’ny fokotany Ana­montana, kaominina am­banivohitr’Ampary, ny alahady 3 marsa teo. Raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy, ny 1 marsa no nanaovany ny filan-dratsiny tamin’io ankizy io saingy roa andro taty aoriana vao fantatry ny ray aman-dreniny izany. Nahenoana fofona hafahafa avy amin’ny fivavian’ilay zaza ka nahataitra azy ireo. Niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy nandritra ny famotorana azy.

J.C

Partager sur: