Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo minisitra. Anisan’izany ny fandrefesana ny 100 andro amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Hentitra ny filoha. “Tokony hahitana tetikasa goavana sy miavaka ahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay ny ezaka ao anatin’ny 100 andro”, hoy izy. Tsy manakana ny fampandehanana ny asa andavanandro isaky ny departemanta anefa izany. Nanteriny fa mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika ao anatin’ny fanatanterahana ny 100 andro voalohany nitondran’ny filohan’ny Repoblika sy ny nametrahana ny governemanta. Anisan’izany ny tomban’ezaka efa vita sy ireo asa mbola miandry ao anatin’ izay fe-potoana izay.
Efa nanao fampitam-baovao am-bava amin’izany ohatra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Anatin’izany ny fametrahana “Camera de surveillance” amin’ireo tribonaly hanaraha-maso ireo mpanelanelana “Rabatteur”. Napetraka koa ny “Carnet de suivi de dossier” ahafahana manaraka ny raharaha na mikarakara taratasy eny amin’ny fitsarana. “Miisa fito ireo tribonaly efa nametrahana izany”, hoy ny tatitra.
Kolikoly eny amin’ny fitsarana
Manampy izany ny fandraisana ny fitarainana momba ny kolikoly eny amin’ny fitsarana sy ny fonja. Kendrena ny hikirakirana fitarainana miisa 70 anatin’ny 100 andro ka handraisana fepetra raha voamarina ny kolikoly amin’izany. Efa mipetraka rahateo ny rindrambaiko ahafahana mitaraina “www.fitsarana-valio- tarainako.mg”.
Nampita am-bava tahaka izany koa ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ireo laminasa tsy maintsy tanterahiny.
Synèse R.