“Ho an’i Mikakely” – M’Lam Manakambahiny. Tsy mitsahatra ny tolo-tanana ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana amin’ny fitsaboana an’i Mikakely. Hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva ry Théo Rakotovao, Teddy Solo sy ny namany, ary ny Faith. Hitohy ny sabotsy miaraka amin’ny Raozin’ny Paradisa, Hery Vaika, Tarika Tary, ary ny zana-Rotsy.
Rija Ramanantoanina – Piment Café Behoririka. Anisan’ireo mpanakanto efa zatra ny toerana sy mbola be mpanaraka hatrany izy. Hizara ny kanto indray anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany i Rija Ramanantoanina, arahin’i Datita Rabeson, Fy Rajaofetra, Rindra Rakotosaonina ary Josia Rakotondravohitra.
Les Talenta – By Pass Afterwork. Eny amin’ity toerana ity indray no manome fotoana ny mpankafy azy ry Inah, Mbola Talenta ary i Fanilo Poppin’s. Rahampitso sabotsy, manomboka amin’ny 4 ora hariva izany. Mialoha izay, hizara ny kanto ao amin’ny Chez anna, Moramanga, izy roa lahy mpitendry, ka i Orimà kosa no hiantsoroka ny feo mandritra izany.
Silo sy Mafonja – Bar’Haingo Antsirabe. Toerana tsy vaovao ho an’izy miralahy sy ny mpankafy azy ireo ity hiverenana anio indray ity, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fiarahana anatin’ny mozika efa nisy 20 taona lasa ny azy ireo. Niverenana kely indray izany ny zoma teo, ary izao tohizana anio izao. Mbola hitohy any Toamasina kosa ny amin’ny herin’io.