Manafaingana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, anisan’ny fanoitran’ny fampandrosoana.
Mandeha ny fifampidinihana manodidina ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, tao amin’ny televiziona malagasy, ny alatsinainy 4 marsa teo, fa nisy ny fihaonany tamin’ireo mpitantana ny orinasa Base Toliara, izay tonga teto Madagasikara.
Nampahatsiahiviny ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ ny fitantanana maharitra sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Sady harena tsy azo ahodina ny harena ambanin’ny tany. « Tsy maintsy ahazoantsika antoka fa hitondra fampandrosoana ny firenena ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany vaventy. Hiteraka asa sy tombontsoa ho an’ny mponina eny ifotony, hampidi-bola vahiny sy hetra na tamberim-bidy ho an’ny fanjakana », hoy ihany ny minisitra Rakotomalala Herindrainy.
Misitraka ny tetikasa ny mponina
Efa vonona hatry ny ela amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara ny mponina any amin’ireo kaominina voakasika. Nitsotra ny ben’ny Tanàna Ankilimalinike, Mahatoro Longin, fa tsy misy ny antony handavanay ny tetikasa izay hitondra fampandrosoana ho anay, ho an’ny faritra ary ny firenena manontolo. Ho maro ny tetikasa sosialy hoentin’ny Base Toliara. Hahazo tamberim-bidy ny kaominina, izay nionona tamin’ny fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana hatramin’izay.
Tsiahivina fa nahazo ny loka « Mendrika amin’ny fitantanana » sy ny « Orinasa tomponandraikitra » (Responsible Resourcing Awards 2024), ny orinasa reniny, Base Resources. « Azo atao tsara izany any Toliara », hoy ihany i Mahatoro Longin.
Njaka Andriantefiarinesy