Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany amin’ny famerenam-bola araka ny tokony ho izy eto Madagasikara. Taratra ahitana ny fidiram-bolan’ny firenena izany. Etsy ankilany, mbola misedra olana ny sehatry ny fanondranana volamena. Manaosarotra ny fanangonana eny ifotony noho ny fahalafosan’ny vidin’ny volamena eny amin’ireo mpanivana izay mbola lafo noho ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Ara-dalàna
Hampidirina ao anatin’ny “comptoir de l’or” manara-penitra koa ireo mpanangona volamena (collecteurs) sy mpanivana volamena (orpailleurs). Tanjona ny hanatrarana ho 2 500 isa ireo mpanivana volamena raha toa ka 60 ho an’ny mpanangona. Ankoatra izay, hampanaraham-penitra ny fitrandrahana atao tanana. Hampidirina ao anatin’ny sehatry ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika hatrany amin’ny 5 000, hanamorana ny fanisana azy ireo. Atao izany mba hifehezana ny toeram-pitrandrahana hatrany amin’ny 91 ato anatin’ny 100 andro.
Henintsoa Hani