Ho fanamarihana ny Andro natokana ho an’ny vehivavy maneran-tany, anio. Hisy ny lalao basikety, 5×5, karakarain’ny ligin’Analamanga, amin’ity zoma 8 marsa ity, eny Ankatso. Hetsika hiarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny vehivavy mpitsara basikety sy ny vehivavy mpanao gazety mpilalao, Journaliste Basketteuse (JOBA).
Raha ny fanazavana nomen-dRazafindrabe Ando, mpikarakara omaly, teny Ampefiloha, natokana ho an’ny vehivavy « séniors » sy ireo zazavavy U13 ity lalao ity.
Mahatratra 12 ny ekipa mandray anjara amin’ny « séniors ». Ankoatra izay hisy ny hetsika « Skill Challenge », izay ahafahan’ireo ankizivavy U10 mandray anjara. Tanjon’ ny mpikarakara ny hampivelatra ny taranja basikety, sokajy vehivavy, eto Madagasikara. Tsara marihina fa hotolorana mari-pankasitrahana ireo mpandray anjara amin’ity lalao ity. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny amboaran’i Afrika, natao tany Togo, ny ekipam-pirenena, sokajy vehivavy, ny taona 1970.
F.R