Hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, eny amin’ny Cemeam Ankadikely Ilafy, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Trail “Aina no Fetra”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Ny Mainty Manga ho an’ireo tanora sy mpankafy ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, misy sokajin-dalao roa ny fifanintsanana. Hisy ny hazakazaka amin’ny halavirana 12 km, natao ho an’ny sokajy rehetra, sy ny 35 km, natokana ho an’ireo maherin’ny 16 taona. Tsara marihina fa milalao avokoa ny sokajy lahy sy vavy.
Mpandray anjara miisa 500 no ezahin’ny mpikarakara hotratrarina amin’ity andiany ity. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo omaly, teny Antanimora, dia hifarana ny 16 marsa ho avy izao ny fisoratana anarana. Tsara ny mampahafantatra fa hotolorana medaly avokoa ireo mpandray anjara rehetra amin’izany.
Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny taon-dasa teo, nahatratra 244 ny mpandray anjara tamin’ny Trail “Aina no Fetra”, andiany voalohany. Norombahin’i Alvine, avy ao amin’ny klioban’ny Crown Athletics Club Antsirabe, ny amboara tamin’izany. Milaza ny mpikarakara fa handray anjara ny tenany amin’ity andiany manaraka ity, raha tsy misy ny fiovana,.
Fitia Randria