Nampangain’ny kodiarana : maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy mpamaky fiara

Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 2 ora maraina, ny iray tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina famakiana fiara narahina halatra.

Nahazo antso tamin’ny finday ny kaomandin’ny tobim-paritra nampilaza fa misy andian-dehilahy mampiahiahy mitondra fiara eny Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana, tamin’io fotoana io. Fotoana fohy taorian’ny antso, tonga teny an-toerana ny zandary ka voamarina tokoa ny fisiana fiara Mazda iray niaraka tamin’ny mpamily. Niroso tamin’ny fitsirihana sy ny fisavana ny fiara avy hatrany ny zandary. Nahitana kodiarana fiara miisa telo niaraka tamin’ny bateria iray tao anatiny. Tsy voazavan’ny mpamily nitondra io fiara io ny fiavian’izany tao anaty fiara. Nolazainy fa efa nipetraka mialoha tao anatin’io fiara ireto entana halatra ireto. Minitra vitsy monja taorian’izay, nisy telo lahy nanatona ny fiara izay nambaran’ny mpamilin’io fiara io fa olona miaraka aminy ireo. Vao hanamarina azy ireo anefa ny zandary no nanampoaka basy tampoka ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Ny iray hafa kosa nitondra « clé de roue » raha nitoraka tamin’ny cric-na fiara ilay fahatelo. Raikitra teo ny fifanandrinana, ka lavon’ny balan’ny zandary ny iray nitondra basy poleta. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa raha tafaporitsaka tao anaty haizina ny jiolahy fahatelo. Niaiky ilay mpamilin’ilay fiara fa tena jiolahy tokoa ireo niaraka taminy ireo. Nilaza izy fa mikarama mitatitra ny entana halatra fotsiny ka 50 000Ar no hitondrany izany. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary. Manao antso avo amin’ireo olona niharan’ny halatra ny zandary mba hanatona ny tobim-paritra.

J.C

Partager sur: