Anisan’ireo vehivavy filohan’ny Antenimiera niakatra ny Lapan’i Elysée, any Frantsa, afakomaly, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nifampiresaka fohy tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ity lehiben’ny Andrimpanjakana ity tamin’izany. Anisan’ireo mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny vehivavy filohan’ny Antenimiera maneran-tany na ny “Sommet mondial des Présidentes d’Assemblée des cinq continents” any Paris, ny 6 sy 7 marsa lasa teo, Razanamahasoa Christine. Miisa 25 ireo lehiben’ny Andrimpanjakana niatrika ny fihaonana an-tampony tao amin’ny Antenimierampirenena frantsay izany.
Anisan’ny niompanan’ny fivoriana ny nandinihana ny momba ny ady atao amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy. Eo koa ny fahasalamana sy ny momba ny fitovian-jo. Lohahevitra manaraka ny fifandanjan’ny isan’ny vehivavy sy ny lehilahy eo amin’ny lafiny asa. Manampy izany ny fampahafantarana ireo vehivavy modely amin’izany sehatra rehetra izany.
Niarahaba ny vehivavy ny filohan’ny Antenimiera
Ankoatra izany, anisan’ireo nasain’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, manokana hanatrika ny lanonana ofisialy fiandraiketana ny Lalàmpanorenana Frantsay ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine.
Tsiahivina fa niarahaba sy nirary soa ny vehivavy rehetra ny filohan’ny Antenimierampirenena, omaly. “Tsapa ny adidy mavesatra sahanin’ny vehivavy ao an-tokantrano ary mafonja ny andraikiny koa miarahaba ny andriambavilanitra rehetra aho”, hoy izy.
Synèse R.