FANTINA sy FINTINA

« Efa vonona ny hampihatra ny famosirana ny mpitsara”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nohitsiny fa efa maro ireo zaza tsy manan-tsiny lasibatra noho ny fanolanana. Ao ireo mitondra takaitra mandra-pahafaty, ao ireo niteraka zaza tsy niriana na maty.

Mitaky ny hamerenena ny handinihina ny lalàna momba ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny fanapahan-kevitra ny manampahaizana, Razafindrabe Nathalie. Anton’izany ny hampitomboana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika.

Anisan’ireo firenena manana taha ambony indrindra amin’ny isan’ny vehivavy eo anivon’ny parlemanta ny any Rowanda. Anisan’ireo firenena miavaka amin’izany izy ireo. Tafakatra hatrany amin’ny 64% izany, raha manodidina ny 17% izany ho an’ireo depiote vehivavy etsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Nohitsin’ny mpahay toekarena, Ramiarison Hery, fa tsy manam-piniavana hamaha olana manoloana ny vidim-piainana ny mpitondra. Efa nitondra ny soso-keviny izy ireo. “Mivaona amin’ny lalana tokony hizorana hatrany ny fanjakana ary variana amin’ny fanampiana vonjy tavanandro fotsiny”, hoy izy.

Partager sur: