Fitsaboana maimaimpoana : efa nahavita fandidiana olona 6 500 ny Mercy Ships

Efa nigadona eto amintsika, ao Toamasina, ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Ao anatin’ny fandaminana farampa­rany amin’ny hirosoana amin’ny fandidiana maimaimpoana ireo mpitsabo amin’izao fotoana izao.

Maherin’ny 6 500 ireo efa nandalo, nodidiana maimaimpoana tamin’ ity sambo hopitaly ity teto amintsika, nanomboka ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2023. Anisan’ny anaovan’izy ireo fandidiana amin’ izany ny fivontosana eo amin’ ny tarehy, ny areti-maso “Cata­racte”, ny “Hernie”, ireo bingo ka mila ahitsy. Eo koa ireo sima na vaky lanilany. Misa­hana ny fitsaboana ny nify sy ny ativava koa ireo mpitsabo amin’ity sambo hopitaly ity. Miara-miasa amin’ny governemanta, indrindra ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka izy ireo amin’ izany, tao anatin’izay taona maro izay. Tafiditra indrindra ho amin’ny fijerena ny faha­salaman’ny mponina izao hetsi­ka ataon’izy ireo izao. Mitondra fivoarana sy fanarenana ny fiainan’ireo nandalo fandidiana rahateo izany.

Manofana ireo mpitsabo

Etsy andaniny, manampy sy manohana ireo mpitsabo teratany malagasy koa ireo ekipan’ny Mercy Ships amin’ ny fandalovana tahaka izao. Anisan’izany ny fampiofanana sy fizarana traikefa amin’ireo mpitsabo na mpiantsehatra amin’ny fahasalamana. Efa maherin’ny 2 000 amin’izao fotoana izao ireo nisitraka izany.
Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ity volana ity ary hifarana ny 29 marsa izao ny fisoratana anarana ary hofantenana avy eo ireo handalo fandidiana. Toerana 12 no voafidy hisitraka izany. Ani­sany ny eto Anta­nanarivo, Toamasina, Vava­tenina, Bri­c­kaville, Ampa­rafaravola, Mia­rinarivo, Maeva­tanana, Am­bilobe, Antsohihy, Morafenobe, Ihosy, Ihorombe ary ny any Manakara.

Synèse R.

Partager sur: