Natao tetsy amin’ny Academica Andohatapenaka ny hetsika sosialy nokarakarain’ ny Fikambanana mpiara-mitolona miaraka amin’ny Andry Rajoelina (Fimmar). Tafiditra amin’ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa izany. Nambaran’ny mpandrindra eo anivon’ny boriborintany I, Andriamaro Toussaint, na i Bôlô, fa maherin’ny 100 ireo renim-pianakaviana nisitraka izao hetsika izao. Ahitana vary, menaka, savony (PPN) izany ary natokana ho an’ireo marefo. Nahitana solotena avy amin’ ny fokotany mandrafitra ny boriborintany ireo nahazo ny fanampiana. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny andry fototry ny fanjakana foibe izao hetsika izao, araka ny nambaran’i Bôlô. “Anisan’izany ny fijerena ny maha olona sy ny vehivavy ary koa ny maha andron’ny 8 marsa”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ary isika rehetra raha tsy nisy ny vehivavy.
Etsy andaniny, nambaran’ ny solontenan’ireo nahazo tohana, Razafiarisoa Jacqueline, fa zava-dehibe ny fanohanana ny madinika tahaka izao, indrindra ny renim-pianakaviana zokiolona voatsonga tao anatin’ny maro.
Tsiahivina fa efa nikarakaraka hetsika ara-panatanjahantena koa ny Fimmar ankoatra ny fanohanana ara-
tsosialy tahaka izao. Mbola ho avy ny fifaninanana tsipy kanetibe hatao amin’ny herinandro ho avy io, raha tsy mandoa vola kosa ireo hampiasa ny fanasan-damba sy ny mantsaka rano etsy Bekiraro rehefa sabotsy sy alahady.
Synèse R.




