Niara-nanamarika tamin’ny vehivavy Tim ny Andron’ny 8 marsa, omaly, ny sekretera jeneralin’ny antoko, Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. “Misy fetrany ny fanaovana tsinontsinona antsika io”, hoy izy tetsy Madera Namontana. Nitondra vary sy nizara “yaourt” ho an’ireo ankizy ny tenany tamin’izany. Nifamotoana teny Anosizato izy ireo taorian’ny diabe natao rehefa avy nanampy sy nanohana ireo traboina teny Namontana, niaraka amin’ireo vehivavy Tim Analamanga, notarihin’ ny filohany, Rahelisoa Arphine. Nitondra ny voantsirambin’ny tanany koa izy ireo tamin’izany.
Nisy ny hetsika fanentanana sy fifampizarana avy eo, ka momba ny andraikitry ny vehivavy manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao izany.
Tsiahivina fa nanao hetsika koa ny vehivavy Tim tany Mahajanga sy Bongolava ary koa ny tetsy amin’ny boriborintany II.
Synèse R.




