Anisan’ireo firenena 54 mandray anjara amin’ny “Lalao Afrikanina”, atao any Accra, Ghana, i Madagasikara. Tsy mbola tonga any an-toerana ireo Malagasy mpilalao basikety sy tenisy ary rugby.
Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny “Lalao Afrikanina” andiany faha-13, atao ao Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, tsy mbola tonga any an-toerana ny Akomba, ekipa nasionaly malagasy amin’ny taranja tenisy sy ny Ankoay, ekipam-pirenena basikety ary ny Makis Ladies, rugby.
Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 64 ireo Malagasy atleta handray anjara amin’ity fifaninanana ity. Taranja 12 amin’ny 29 mandritra ny fifaninanana no handraisan’i Madagasikara anjara. Anisan’izany ny judo, karate, tolona, taekwondo, atletisma, fibatana fonjamby, bras de fer, tenisy, tenisy ambony latabatra, lalao Echecs, rugby ho an’ny sokajy vehivavy ary ny basikety 3×3, lahy sy vavy. Tsara marihina fa efa nisy ireo taranja nandeha mialoha ny lanonam-panokafana. Anisan’izany ny tenisy ambony latabatra sy ny karate.
Tsiahivina, nihintsana teo amin’ny lalao ampahefa-dalan’ ny lalao isan-tarika, “par équipe”, ny Malagasy mpilalao “Ping-pong”, sokajy lehilahy ny alakamisy lasa teo. Tsy mbola tapitra ny fifaninanana ho an’i Madagasikara fa ny lalao ho an’olon-droa miaraka, sokajy lahy sy vavy no hatrehin’izy ireo manomboka anio.
Ho an’ny taranja karate, resy teo amin’ny fiadiana ny medaly alimon’ny Paruren, katà, ilay vehivavy malagasy, Rakotonindrina Gaëlle Linda, afakomaly. Nanomboka omaly kosa ny Kumite, sokajy latsaky ny 50 kg, ho an’i Madagasikara. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, Rakotobe Fenosoa, vehivavy malagasy atleta.
Fitia Randria