Moto – « 4 Heures Honda » : hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, eny Am­bohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ny taranja Moto. Marihina fa hiavaka tanteraka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 170 mianadahy mianaka ny mpanamory, hiady lohany amin’ity fifanintsanana ity.
Ankoatra ireo Malagasy mpifaninana, hisy ihany koa ireo vahiny handray anjara amin’ny hetsika. Anisan’izany ilay renio­ney, i Pascal Dorseuil, nandrombaka ny fandresena ny taona 2018. Tsy mbola fantatra izay hiaraka aminy amin’ ity fifani­nana ity. Andrasan’ny rehetra ny fiarahan’i Lucas Robert, renioney nahazo ny laharana voalohany tamin’ny MX1, dingana fahatelo, sy i Mathias Plantive, tompondakan’i Madagasikara 2023. Hitondra ny moto KTM 450 SX izy mirahalahy.
Manaraka izay, hisy mpanamory ivelan’Antananarivo handray anjara.
Marihina fa misy 13 ny sokajy hifaninanana. Anisan’izany ny “Scratch”, ny “Elite” 1 sy 2, “Junior”, XR Trail… Mirefy 8 ha­tramin’ny 10 km ny halaviran-dalana hodiavin’ireo mpifani­nana mandritra ny lalao. Tsara marihina fa hanombohana ny fifaninanana ny “prologue” ho an’ny andron’ny sabotsy ary ny alahady ny tena fihaonana ofisialy.

Fitia Randria

Partager sur: