Hitohy rahampitso alahady 10 marsa ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na “Pureplay Football League” (PFL). Hiditra an-tsehatra avokoa ireo ekipa 16 mifaninana amin’izany. Anisan’ny lalao goavana andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny Mama FC, ao amin’ny kaonferansy atsimo. Hanafika ny tranom-piantohana any amin’ny kianjany any Imerintsiatosika ny Elgeco Plus. Raha tsiahivina, samy tsy mbola resy ireto ekipa roa ireto. Na izany aza, mitarika ny Elgeco Plus, manana isa 7 ary fahatelo ny Mama FC, isa 5. Hanalavela, amin’ity, ny Mama FC.
Ankoatra izay, mbola lalao hangotraka ihany koa ny an’ny Disciples FC laharana voalohany sy ny CFFA fahavalo farany.
Tompondaka
Kaonferansy avaratra
Alahady 10 marsa
Kianja Tsiroanomandidy
02:00 – Ajesaia vs Tsaramandroso FC
Kianja Antsiranana
02:00 – ASA Diana vs Uscafoot
Kianja Rabemananjara Mahajanga
02:00 – Fosa Jr vs AS Fanalamanga
Kianja Ambanja
02:00 – KFCA Diana vs Cosfa
Kaonferansy Atsimo
Kianja Me Kira Toliary
02:00 – 3FB Toliary vs Dato FC
Kianja Elgeco Plus Stadium
02:00 – CFFA vs Disciples FC
Kianja Imerintsiatosika
02 :00 – Mama FC vs Elgeco Plus
Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa
02 :00 – Zanakala FC vs Inate FC Rouge