Efa nigadra indroa : mpisandoka ho tafika voasambotra

Nosamborin’ny zandary noho ny fisandohana andraikitra sy fisolokiana tao Ambohimalaza, ny 7 marsa teo, ny lehilahy iray sy ny sakaizany. Mitonon-tena ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny Primatiora ity mpamerin-keloka ity. Mbola
milaza ho mahavita mampiditra ireo rehetra nahavita fanompoam-pirenena ho miaramila izy. Reseny lahatra ireo lasibany fa azony atao koa ny hahatonga azy ireo ho mpamily na mpitatam-bola eo anivon’ny Tafika.

Naharay fitarainana momba io tranga io ny zandarimaria ao Ambohimalaza. Nanao ny fanadihadiana lalina. Tratra tao amin’ny toeram-pisotroana ilay lehilahy sy ny vehivavy iray. Manao fanamiana miaramila ity mpisoloky ity, nanao ny fanamiana fanaovana fanatanjahan-tena an’ny Tafika ilay sakaizany. Miara-mandresy lahatra ireo lasibatra izy roa.

2 000 000 Ar

Tsy olon-tokana, maro ireo voasolokin’ity miaramila sandoka ity sy ny mpiara-mitsikombakomba aminy. Nahatratra hatramin’ny 2 000 000 Ar ny lelavola efa azon’izy ireo. Nosavaina tany amin’ny trano fonenany. Mbola nahitana fanamiana, galona an’ny tafika ary taratasy vitsivitsy tao. Voamarina fa efa nisazy ny taona 2020 sy ny 2021 ity mpisandoka andraikitra ity. Notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana izy.

Tsiferana R.

Partager sur: