Ambohimangakely : saika handositra, voatifitry ny zandary Rasala

Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny tao Ambohitra­kanga, fokontany Ambohi­trom­bihavana, kaominina Am­bohimangakely, ny 8 marsa teo. Namoahan’ny zandary taratasy fikarohana izy. Ni­fanojo tamin’ny zandary iray namita iraka teny 67 Ha izy ka voasambotra.
Nentina natao famotorana, nitoroka ireo niray tsikombakomba taminy izy. Nentina hanondro ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nivadika ny lehilahy rehefa teny an-toerana. Nikiribiby handositra io jiolahy fantatra amin’ny solon’ anarana hoe “Rasala” io. Nampitandrina azy ny zandary saingy nanda izany izy.
Vokany, nanapoaka basy ny mpitandro filaminana. Naratra mafy rehefa voan’ny bala ilay jiolahy. Tsy tana ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be loatra.

.
Tsiferana R.

Partager sur: