Efa anatin’ny fampahafantarana tsikelikely ireo ho kandidà hiatrika ny fifidianana depiote ny vovonana Firaisankina, ahitana ny Tim, HVM, APM ary ny Tsaratahafina. Nohitsin’izy ireo tamin’izany ny tsy fanarahan-dalàna.
Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana ny Vovonana, Ravalomanana Marc, tamin’ny faran’ny herinandro, fa mbola misy ny tsy fanarahan-dalàna. Roa herinandro mialoha ny fametrahana dosie ho an’ireo kandidà izany. “Tsy mazava na firy ny isan’ny depiote. Hiampy sa hijanona 151. Tahaka izany koa ny fari-pifidianana…Tsy mbola misy ny didy aman-dalàna milaza ny antsipirian’ ny fifidianana. Takinay ny hamoahana izany anaty fotoana fohy”, hoy izy.
Nohitsiny koa fa mahazo vahana ny fandikan-dalàna amin’ny fampiasana fahefam-panjakana, fitaovam-panjakana, volam-panjakana na koa mpiasam-panjakana. Manomboka eny amin’ireo sefo fokontany izany. “Tsy manaja ny tsy fiandaniana voalazan’ny lalàna izy ireo”, hoy ihany izy.
Kitoatoa
Tsy vitan’izany fa tsy mbola tafaverina any amin’ireo fokontany lavitra andriana ilay lisi-pifidianana nofaranana vonjimaika. Tsy afa-manamarina ny momba azy ny mpifidy sasany. Velon-taraina ny vahoaka. “Kitoatoa ny fanomanana sy ny fikarakarana ka mila miomana isika”, araka
ny nambarany. “Ho tompon’ andraikitra amin’ny mety hitranga ianareo mpikarakara”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa mbola mitsipaka ny mpitondra sy ny voka-pifidianana filoham-pirenena farany teo ny Vovonana Firaisankina.
Synèse R.