Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana “Youzou Smatchin Orange”, andiany faha-10. Fifaninanana andraisan’ireo ekipa eny anivon’ny Oniversite izay ahitana sekoly ambony miisa 40. Nafana tanteraka ny andro roa voalohany, tonga marobe ny mpijery manohana ny ekipany. Ho an’ ireo andro roa voalohany, nafana avokoa ny fifandonana, anisan’izany ny lalao teo amin’ ny Espa sy Esca, omaly, izay isa 2 monja no nanasaraka ny isan’ny roa tonta ka nivoahan’ ny Espa ho mpandresy, tamin’ ny isa 39-37. Tsiahivina fa efa nahazo fandresena 50 no ho 47, nanoloana ny CNtemad ihany koa ny Espa, ny sabotsy lasa teo. Lalao anisan’ny niady ihany koa ny lalao teo amin’ny UCM sy ITU, izay nahazoan’ ny UCM fandresena tamin’ny isa 60 no ho 57. Mbola hafana hatrany ny fifaninanana manomboka anio, efa miakatra rahateo ny haavo teknikan’ ireo mpifaninana. Ny sabotsy lasa teo no nosokafana tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana ity. Mpanakanto maro no nanafana ny lanonana nandritra izany. Ankoatra ny lalao basikety, misy ihany koa ny fifaninanana Miss&Mister, izay efa hiditra amin’ny lalao manasa-dalana.
Mi.Raz