Nanamarika ny Andro iraisam-pirenen’ny vehivavy, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka,
ny Makis Ladies, ny zoma 8 marsa lasa teo. Maro ireo hetsika natao tamin’izany. Anisany ny fampianarana ireo vehivavy eny an-toerana sy ny “festival rugby féminin”.
Nanainga ny sabotsy lasa teo, teto an-tanindrazana, ireo Malagasy mpilalao tennis lahy sy vavy. Anisan’izany, Raharivony Nicolas, tompondakan’i Madagasikara, taona 2023 sy Tsantaniony Iariniaina, vehivavy mpilalao. Marihina fa hanampy azy ireo any an-toerana i Mitia Andraina Voavy.
Hotontosaina manomboka rahampitso ny lalao miverina amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’ izany ny fihaonan’ny Naples SC, Italie, sy ny FC Barcelone, Espagne. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tamin’ny fihaonana mandroso.