Petanky Be Analamanga : hifampitana ireo mpilalao isam-pokontany

Hiavaka ny fanombohan’ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe, ny taom-pilalaovana. Hanome sehatra ireo mpilalao eny anivon’ny fokotany izy ireo ka hifampitana amin’ireo efa sangany. Hampakatra ny lentan’ny fifaninanana no tanjona.

Hotanterahina eny amin’ ny kianja Ivato, ny sa­botsy 16 sy ny alahady 17 marsa ho avy izao, ny fifaninanana Petanky Be Anala­manga, karakarain’ny ligy. Hafa mihitsy izany satria fifaninanana hifanandrinan’ny fokon­tany eto an-drenivohitra ary natao ho an’olon-telo miaraka, na lehilahy na vehivavy na miaraka “mixte”.
Araka ny fanazavana no­men’ny mpikara­kara, misokatra ho an’ny rehetra lahy sy vavy na manana kara-pilalaovana na tsia, ny fihaonana saingy tsy maintsy miray fo­kontany ny mpilalao. Tsy maintsy mitondra fanamarinam-ponenana sy sary tapaka izy ireo hahala­lana fa mipetraka amin’ny fokontany iray ny ekipa.
Mizara roa ny fifaninanana amin’ity Petanky Be Anala­manga ity. Mifaninana ao amin’ ny vondrona “A” avokoa aloha izay rehetra nisoratra ana­rana. Tsy avy hatrany dia mody akory ireo izay mihin­tsana ao amin’ity vondrona ity, fa midina ao amin’ny “B” in­dray. Hano­me­zana sehatra hilalaovana mihitsy no tanjon’ny ligin’Ana­lamanga amin’ity. Maro mantsy ireo mpilalao, na vavy na lahy, hita eny anela­kela-trano sy amin’ny toerana samihafa ireny, izay manana ny fahaiza-manao saingy tsy miditra anaty klioba. Ny hanehoan’izy ireo ny fahaizany sy hitari­hana azy ireny ho ao anaty fifaninanana ara-dalàna no tena imasoana amin’izao Petanky Be Analamanga izao. Ankoatra izay, mba hivere­nan’ireo antsoina hoe “patron” hiakatra kianja ihany koa izay nampiroborobo fatratra ny fifaninanana fahiny.
Hahazo loka goavana, toy ny môtô scooter 3 sy solo-saina ary amboara ho an’ireo fokontany voalohany ao amin’ ny vondrona “A” raha fahitalavitra miloko kosa ny an’ny “B”. Hifarana ny zoma 15 marsa ny fisoratana anarana, mialoha ny hanatontosana ny antsa­paka.

Tompondaka

Partager sur: