Hihazakazahan’ireo mpilalao fahiny na ireo manan-katao amin’izao fotoana izao, ny manangana sekoly ho an’ny baolina kitra. Maniry ohatry ny anana izy eto an-dRenivohitra. Ahitana olona mampianatra kilonga madinika rehefa mety toerana malalaka eto Antananarivo sy ny manodidina. Ao ny tanimbary voatototra, ny tany kely mifefy zara raha mahazaka ankizy 20 sy ny tokotanin-tsekoly. Misy amin’izy ireo ny ahitana mpanabe manana traikefa ary tsara ny kalitaon’ny fampiofanana ny ankizy. Maro koa nefa ireo mitango ny
volan’olona fotsiny ka maka tahaka befahatany izay hitany amin’ny boky sy ny «internet».
Manao ny ainy tsy ho zavatra mampiditra ireo menaky ny ainy koa ireo ray aman-dreny fa te ho lasa mpilalao baolina kitra malaza ny zanany. Rehefa natao ny fanadihadiana, tokana ny tanjon’izy ireo. Tsy ny ho lasa olo-malaza amin’ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity fa ny handeha hiampita hivoaka an’i Madagasikara. Miezaka sy mitady hevitra farany izay haingana mihitsy ireo nahary tongotra aman-tanana ireo, hanao izay hialan’ny zanany eto Madagasikara. Tsy mitsitsy vola mihitsy fa raha vao mahita hirika hihazoan’ny zanany milalao any ivelany dia efa lasa izao.
Manao izay ho afany raha vao misy fifaninanana iraisam-pirenena hivoahana any andafin’ny riaka mba ho anisan’ireo tafiditra ao anaty lisitra ny zanany, handao an’i Madagasikara. Antony maro ny manosika azy ireo tsy mitandro hasasarana mitady hevitra hivoahan’ny zanany any ivelany. Anisan’iray lehibe, ny zava-misy eto Madagasikara tsy hananan’izy ireo fanantenana amin’ny hoavin-janany. Mampieritreritra fa ny hianarana baolina, tsy ho barea akory fa ny ho lasa any am-pita.
Tompondaka