Notanterahina ny alahady lasa teo ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League” (PFL), taranja baolina kitra. Resin’ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’ ny isa 1 no ho 0 ny Disciples FC Vakinankaratra, teny amin’ ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass.
Baolina tokana tafiditr’i Lalaina, tamin’ny alalan’ny “penalty”, ny minitra faha-69 no nitondra ny fandresena ho an’ity ekipan’Andoharanofotsy ity.
Araka izany, manana isa 4 ny ekipan-dra Hery Be, mpanazatra CFFA vaovao, taorian’ity lalao ity raha toa ka mijanona ho isa 6 ny an-dry Tendry, lohalaharan’ny Disciples FC. Tsara marihina fa ireto ekipa roa tonta ireto, mifaninana ao amin’ny kaoferansy atsimo.
Manjaka tanteraka ao amin’ ny kaoferansy avaratra ny ekipan’ny Fosa Junior FC Boeny. Resin’izy ireo tamin’ny isa
2 no ho 1 ny AS Fanalamanga avy any Atsinanana, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Baolina tafiditr’i Vévé, teo amin’ny faha-16 minitra sy i Raicardo, ny minitra faha-60 no nahazoan’ny ekipan’i Boeny ny isa telo ho azy ireo. Araka izany, tsy mbola afa-bela tamin’ny Fosa ny Fanalamanga. Tsiahivina fa lavon-dry Dax, mpilalaon’ny Fosa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao famaranan’ny OPL (izay lasa PFL), ry Tsalo, kapitenin’ny AS Fanalamanga, ny taona 2023 lasa teo. Tsara ny mampahafantatra fa tsy mbola resy mihitsy ny Fosa Junior tamin’ireo lalao efatra nataony nandritra ity PFL ity.
Fitia Randria