Nanajary ny zaridaina sy tokotany niaraka tamin’ ny mpiara-miasa rehetra, ny faran’ny herinandro teo, ho fanatsarana ny tontolo iainana eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny ekipa notarihin’ny minisitra. Tamin’ny alalan’ny Tagnamaro no nitondrana ny hetsika izay ohatra tsara horaisina amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina sy ny toeram-piasana, hitondra filaminan-tsaina ao anatin’ny asa.
Nidina nanara-maso ny fizotran’ny fanorenana oniversite manakaiky vahoaka ao Fenoarivo Atsinanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Efa vita hatrany amin’ny 90% ny asa ao amin’ny oniversiten’Analanjirofo. Nifanakalo hevitra tamin’ny sojaben’ny oniversite, ny tomponandraikitra, ny mpandraharaha ary ireo mpianatra tao an-toerana ny tenany.
Ho maina ny andro ho an’ny telo andro manaraka, saika manerana ny Nosy, fa ny alarobia no hitsoka ny alizay ho an’ny ilany atsinanana ka hitondra orana, araka ny fanambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hiakatra ny maripana farany ambony manomboka anio. 28°C ka hatramin’ny 36°C izany.
Nanatanteraka fanentanana tao amin’ny distrikan’Ampanihy ireo mpikambana ao amin’ny champions de la nutrition Chanut Mada, sampana Toliara, nandritra ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy, nokarakarain’ny sampandraharahan’ny mponina sy ny firaisankina Ampanihy ary notohanan’ny Action contre la faim (ACF). Mbola betsaka ny vehivavy miaina anaty herisetra sy tsy mahafantatra ny zony ka niompana tamin’izany ny fanentanana.