Fanamby apetraky ny fanjakana ny hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hamorona asa ho an’ny tanora hampandrosoana ny toekarena isam-paritra. Napetraka ao Manatantely, kaominina Soanierana, distrika Taolagnaro, faritra Anosy, ny vatofototra an’ilay “zone d’émergence piscicole de (ZEP) Manatantely. Tetikasa entina hamokarana zana-trondro 5 tapitrisa isan-taona sady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mbola ambany, manodidina ny 40 tapitrisa eo ny famokarana zana-trondro eto amintsika, raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 600 tapitrisa isan-taona ny filàna eto Madagasikara. Tsiahivina fa nametrahana “station piscicole” ihany koa ao amin’ ny kaominina Bezaha, distrika Betioky Atsimo izay hamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa isan-taona ihany koa. Tafiditra ao anatin’izany ireo fotodrafitrasa samihafa hampiroboroboana ny famokarana manerana ny Nosy. Seha-pihariana mbola azo trandrahina tsara ny famokaranazana-trondro noho izy mbola malalaka. Ao anatin’ny politikam-panjakana rahateo ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga. Mamelona tokantrano an’arivony sy mampiasa fianakaviana maro ny jono sady kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa H.