Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Kianja masoandro, anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ny lanonana ara-pomba ofisialin’ny Taom-baovao malagasy. Nahitana hetsika maro samihafa mahakasika izany avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina.
«Taom-baovao hamerenan-kasina ireo fomba amam-panao, entina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny fitahiany, izay nomeny ny firenena sy ny mpitondra. Fotoana nahafahana mandravina ireo disadisa sy namitranana ny fihavanana vaovao indray», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana.
Amin’ny maha taom-baovao fidiovana ny andro omaly, nisy ny fitsofan-drano ireo rehetra nanatrika ny lanonana teny an-toerana. Nampiasaina tamin’izany, ny rano nalaina avy amin’ny loharano naroina tantely. Mba ho mamy ny fiainan’ny olona voatsodrano.
Nifampizarana ny ”Tatao” na ny fihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely teo amin’ny rehetra ihany koa. Mariky ny fahavokisana ny vary. Midika fahamamiana ny tantely ary midika fahavelomana sy fahadiovana kosa ny ronono. Ankoatra izay, ny fizarana salohim-bary na ny Zarahasina ho an’ny rehetra no natao taorian’izay. Izay endriky ny vary vokatra sy ny vary matoy eo amin’ny mpamboly. “Fifaliana ny fizarana ny santa-bary avy any Adilambato, ny masoivohom-pirenena, ny mpikambana eo anivon’ny fitondram-panjakana, ary ny andrimpanjakana mpanao lalàna”, hoy hatrany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Nentina nampahafantarana ny kolontsaina ho an’ny Malagasy rehetra ny hetsika sy fankalazana rehetra nanerana ny Nosy sy ireo vohitra 12 teto Imerina. Hankalazana amin’ny volana septambra indray ny taom-baovao lohataona. Niarahana tamin’ireo Lonaka, Andriana, tomponandraiki-panjakana, ireo mpikambana tao amin’ny komity mpikarakara tamin’ny fanarenana ny Rova…ny hetsika teny an-toerana.
Mino