FANTINA sy FINTINA

“Hiaro ny marina ary ny marina hatrany aho”, hoy ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Christine, omaly, tany Frantsa. Nanteriny fa tokony hofadiana ny mirary ratsy ny tsy mitovy hevitra politika. Tsy rafitra koa no olana eto fa ny olona, araka ny nambarany. “Afaka manova ny tantara ny vehivavy”, hoy ihany izy.

Naneho fahavononana hiady amin’ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna ny kandidà, Razafimanantsoa Hanitra. Niaiky anefa ny tenany fa tsy ho vitany samirery izany fa iarahana mifarimbona, anaty firaisankina. “Isao­rana ny Tim sy ny vovonaana Firaisankina nanolotra ahy”, hoy izy.

Nofanina hahalala bebe kokoa ny andraikiny ny mpikamban’ny rafitra misahana ny fanamarinana ny firaiketana ny fifidianana (Ovec), tanterahina etsy Ala­robia, ho an’Analamanga. Nampahafantarina tamin’izany fa tsy tokony hiandany, handala ny fahamarinana, izy ireo ary hahafehy ny lafiny lalàna.

Hivoaka amin’ny fahanginany ary haneho hevitra ny Kolektifa an’ny Malagasy. Arahina amin’ireo haino aman-jery tsy miankina izany, ny zoma alina izao. Hiom­panan’ny resaka ny hiatrehana ny fifidianana depiote sy ny raharaham-pirenena. Tsiahivina fa ahitana ny MMM, ny FTT, MTS, ARB, FMI Malagasy ny Kolektifa an’ny Malagasy.

Partager sur: